IZAHO KO MAHAY!

2010-12-16 @ 13:25 in Tononkalo

Androany aho mba hiresaka momba ny fiainan'ny olona an-davanandro indray. Manodidina indrindra ny zava-mitranga eto amin'ny firenena: olana, vahaolana.....

Ny zavatra tsikaritro dia rehefa raikitra ny tafatafa samy akama sy ny samy tsy akama eny an-dalambe, anjoron-trano, antsisin-dalana, anaty fiara fitateram-bahoaka eny ; dia toy ireny andrarezina ireny daholo izay rehetra misoka-bava. Mirotsaka ny resaka politika dia ireo fa samy manana holazaina avokoa na ny bodo na ny adala, samy toa mahita vahaolana daholo. Asa na dia ahoana loatra aza no tsy naha minisitra ny sasany tamin'izy irenyfa dia miraradraraka mihitsy ny soso-kevitra rehetra, nefa anie tsy lasa aiza fa tapitra eo am-baravaran'ny bus izany tehetra izany e!

Eo ihany, mivadika resaka sosialy tampoka ny resaka: indreo eo daholo indray fa samy tompon'ny fanalahidy mankany amin'ny fandrosoana daholo

Ny tena hitako fa fahavoazan-draMalagasy be fivoarana di lany andro miedinedina fotsiny eran'ny tanàna ho hitan'ny olona hoe izaho no tena zavatra, fa tsy manao avy hatrany. Ny hevitra fotsiny no mipasapasaka fa ny finiavana hanao tsy misy mihitsy na dia kely aza. Angamba raha samy miezaka avy ny tsirairay mba hanao izay andehanan'ny firenena dia mampisy fanantenana be dia be ny handrosoan'ny firenena

Manampy an'izay ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana eo amin'ny samy mpiray tanindrazana, fa atao ahoana moa ny hampandroso ny tokantrano iray raha toa ka ny ao anatiny aza tsy miray saina akory.........

hatreo aloha ny androany fa sao lany ron-doha mitatasika fotsiny eto koa!!!!!

RANADAHY MALALA

2010-12-14 @ 06:45 in Tononkalo

Manaraka;
miaraka;
malaina ny hisaraka.
misarisary zoro,
mipetraka, mijoro;
mody tsy miraika;
ilaozako: mihaika,
haingana! andraso!

omeko topimaso:
mibanjina, midify.
mamonjy mitampify,
mihilana;
mivilana.
mikalo moramora,
manontany ora.
tanitany foana!

raikitra ny doka:
"Ianao mahay mihira!"
tsy asiako sira,
"Ao mba ampianaro!"
modiako miova tafa,
miresaka amin'ny hafa;
io fa saro-piaro:
montotra,
tsy rototra,
mitoka-manirery;
mangalatra mijery,
mitokiky,
mianjon-tsiky.
misarisary zoro
mipetraka,.....

aiiiy!!!
tia re ianao
f'aza mody adala
ry Ranadahy malala!

RIANTSOA (21/11/10)

HYMNE À L'AMOUR

2010-12-12 @ 15:54 in Tononkalo

Le ciel bleu sur nous peut s'effrondrer
Et la terre peut bien s'écrouler
Peu m'importe si tu m'aimes
Je me fous du monde entier
Tant que l'amour inondera mes matins
Tant que mon corps frémira sous tes mains
Peu m'importent les grands problèmes
Mon amour, puisque tu m'aimes...
J'irais jusqu'au bout du monde
Je me ferais teindre en blonde
Si tu me le demandais...
J'irais décrocher la lune
J'irais voler la fortune
Si tu me le demandais...
Je renierais ma patrie
Je renierais mes amis
Si tu me le demandais...
On peut bien rire de moi,
Je ferais n'importe quoi
Si tu me le demandais...
Si un jour la vie t'arrache à moi
Si tu meurs, que tu sois loin de moi
Peu m'importe, si tu m'aimes
Car moi je mourrai aussi...
Nous aurons pour nous l'éternité
Dans le bleu de toute l'immensité
Dans le ciel, plus de problèmes
Mon amour, crois-tu qu'on s'aime?...
...Dieu réunit ceux qui s'aiment!
 
 

FITIA FAHAZAZA

2010-11-11 @ 13:58 in Tononkalo

Miaraka eny an-dalana, someby aok'izany
Mifampitositosy sy mifananihany
Tsy mihontsona akory ny ao anatiko ao
Eh! Fitia fahazaza; nataoko kilalao

Rehefa mba mitafa mitokana irery
Ny andaniny mandà, ny ankilany manery
fa amin'ny herinandro no atao ny mariazy
Fitia fahazaza; eh! nataoko vazivazy

Indreny fa midola andeha hamonjy tsena
manopy maso kely ny fivarotan-kena
Avy eo mitanjozotra mandroso ny Hotely
Eh! Fitia fahazaza; fitiavan-jazakely

Raha tonga ny alahady; indreny izy ireny
"Ianao mankeny ambony, izaho eo amin'ny Neny!"
Dia mifanopy maso mandritry ny fotoana
Fitia fahazaza; eh! adaladala foana

Tsaroako izany lasa, mandona ny aty foko
sinikotra anaty pejipejy maro loko
Tantara ihany ireny; vinany tafatoetra
Tamberina sy tsiahy ny lasa rehetra rehetra

MAMPANGOROVITSIKA DAHOLO IZAY ALEHA (2)

2010-11-07 @ 16:10 in Tononkalo

ity ilay tohiny:

 

 2 segaondra ihany izany eritreritra rehatra izany fa 20 seganondra vao fantatra ny antony: hay ireto fiarakodia milahatra lavabe no nahatonga an'ilay izy, sady amin'izay midongizina tsy mihetsika mihitsy. Tsy mbola fahitako mihitsy ny ohatr'ity. Notohizako ihany ny diako (fa izaho nandeha scooter). teo Ambodimita no niandohan'ilay emboutaillage. Dia hoy aho any an-tsaiko hoe:"tsentsin'ny anona izany ny vodin'ny Mita kle!". Efa hatrany amin'ny Ambassade des Etats Unis koa ny avy any Talatamaty. Dia nahavatra nanontany Saofera mihitsy moa izaho izany raha toa ka efa mpitranga amin'iny lalana iny ny emboutaillage vao maraina ohatr'izao. Ny valiny dia tsotra:"Aza mandrangitra eo ialahy fa lasa ialahy mandeha". Gaga aho hoe izaho ve no mandrangitra sa izy koa no mila rangitina? Saika rangitra koa aho...fa tsy rangitra tampoka. Hany heriko niverina mba nijery izay tena antony tao. Indrisy anefa, tara loatra; efa rava ny tany amin'ny lohany tany. Mbola tsy rangitra ihany aho.

Eo indrindra no tiako hasongadina; ny emboutaillagen'Antananarivo. Ny ety Itaosy moa no tena hitako fa dia sakafo fihinan'Itaosy ny emboutaillage, sady amin'izay tsy misy laoka. Na maraina na hariva dia misy foana. Raha vao misy Itaosy dia tsy maintsy misy miresaka ao koa ny emboutaillage . Mankaleo

Raha ny fandinihako ny tena mahatonga ny emboutaillage to Antananarivo aloha dia ny antony dia ireo voiture tsy mahay maka parking fa mitsivala-pandry eny rehetra eny, taratry ny any an-tranony. Raha mba mahay mihitsy kely ireny dia halalaka ny lalana.......

Aoka izay aloha ny amin'iny fa aleo aloha hanohana kely fa tonga koa ny régime ato, sady Dadakoa toa tsy ho tonga, Dadabe tsy tiako ny miara-mikaly aminy, Zokilahy tia kely......izaho tsy mety rangitra!!!!!!

TAOTAON-KAFA

2010-10-28 @ 07:28 in Tononkalo

Normal 0 21 false false false FR X-NONE X-NONE MicrosoftInternetExplorer4

Manao tohivakana maneho ny hatanorany
                            Ny eritro manjeny;
Anefa, ny tontolo notadiaviny any
                            Zakain’ny heniheny.
Ny hanin’olon-tiana manao amboletra,
                            Voafefin’ny havoana;
Ako hiakam-po mitraho an-kerisetra,
                            Tamberina eto foana;
Atopan’ny alom-betso handrongatra ny morona,
                            Tsy nisy tsy nafoy,
Tsy nisy nandrombinana , tonga tsara horona
                            Manao tampody fohy.
Tsikaritry ny saona mipitra anjorom-bala
                             Anefa ny handefitra
Toa mihantsy alahelo handrovitra ny ala
                            Hipaoka ho any an’efitra
Ny efitra aza sina, moana tsy mamaly
                            Tsy andrenesam-peo
Sondriana mitadidy ny rediko omaly
                            Fony aho nandalo teo
Mamoy fanantenana nasolo antsojay
                            No sisa herin-tsaina
Iantsoana faraonona hamerina indray
                            Ny nofy niangolaina

 

                   RIANTSOA

 

FITIA DISO FIANTEFA

2010-10-27 @ 14:08 in Tononkalo

azon'ody tany angamba
no niraparapa foana
sa ny maso no efa jamba
sa ny saina no nivoana?

bika ve no hany bala
vola no atao mpitondra
entinao hanjono kala
any ambadiky sahondra

tara loatra ianao ry Zandry
kely loha toa an'i Kaina
atao inona ny sandry
raha tsy miaraka amin'ny saina?

izao ny aina efa very
ny havendranana nibary
ny hanohanana mamely
ny fanahy mararirary

aza tia manendy loza
lahy tokana ny aina
trondo kely an-tanam-poza
raha tsy maty, kilemaina

raiso ho anatra iny anefa
fa raha manindroa tsy laitra
fitia diso fiantefa
miantsampy amin'ny koaitra

IZAHO, I MÔTA KELY, I SEDY (*)

2010-10-23 @ 11:24 in Tononkalo

Tonga ihany ilay maraina rako-javo-mitambolona;
Ireny feom-piarakodia no solon’ora fifohazana.
Efa miandry indray ny adidy amin’ny maha zokiolona,
Solon-dreny hanambitamby, solon-dray hiantsampazana.

Hatanjahina ny saina, dia hanainga amin’izay;
I Sedy kely am-babena, fa i Môta atao an-tanana,
Lolohavina eo an-doha ny sisa rovi-bemiray;
Tapa-pihogo, ariary zato; izay no hany mba fananana
 
Aiza indray izao no misy ambim-bavan’ny mpiantsena,
Sisasisan’ireo mpanana sy tsy mahay mizara?
Ilay kapoaka atao vilany tsy misaraka amin-tena,
‘Ndrao dia hitsikian’ny vintana hahita tsaratsara.
 
Raha izao no lasa mpanana….. Eh! Matezà ny aina;
Dia i Môta kely aloha no ampidiriko an-tsekoly.
Jereo ‘reto zanak’olona aterina, alaina,
Fa ry zandry, ny mitsindroka no hany fialam-boly.

Raha mba teo ianao ry Neny, raha mba hitanao ry Dada
‘zahay telo mianadahy, Izaho, i Môta kelinao
Sy i Sedy be tomany; mbola vao mibadabada,
Dia nekeko am-pitsikiana ny kapoka sy anatrao.

Aiza indray no ahitako rovi-damba hotafiana?
Ny an-koditra efa simnba, ny ririnina mamely.
Aiza intsony indray izao nohisy toeran-katoriana
F’efa potiky ny rivotra ilay trano bongo kely.

Tamy handrakotra ny tany indray ny alin’ny ririnina,
Diavolana no jiro, feon’alika no mpandrotsy;
Tonom-bavaka no vetso, nofinofy no fihinina,
Hanatrarana indray ny maraina………...........

RIANTSOA

 

(*) Vokatry ny sendrasendra ihany raha toa ka misy fitovian'ny anarana

MAMPIRAFY

2010-10-22 @ 11:14 in Tononkalo

Angamba ny fahitako anao
Isan’andro lava izao
No mampihetsiketsika ahy ?
     K’ilay endri-miramirana
     Laroan-tsiky misompirana
     No sinafoko tsinahy
 
Diso ve izaho raha toa
Ka nanao kitoatoa
Ireo iraka sy asako?
     Satria ilay endrikao
     Sy ny safosafonao
     No andrandraiko sy andrasako
 
Mba tsy fahotana kosa
Ito vavako misosa
Mitanisa anganongano
     Hambaboana izato fony
     Ndrao mba izy no hampitony
     Sy hanala hamohamo

Tsisy olana io ry akama
Fa ny ankizy sy I Madama
Efa mba mahay mihafy
     Sady izy mahalala
     Fa ny vadiny malala
     Tsy mahay mampirafy

     RIANTSOA

HATAKA (Mangidy sira)

2010-10-22 @ 10:38 in Tononkalo

Antenaiko tsy ho very

                    ilay tafa

                   tsara tefy,

hanakombona ny fery

                   ratsy fafa

                   tsara fefy

dia tsy tsapanao mihitsy

                   ve ry Kala

                   manja kely

izato vatany mangitsy

                   mihoatra vala

                   miandry vely?

Raha tsy te-hifampizara

                   rohin-tsera

                   dia mba tsory

sady izaho lany ambara

                   lany lera

                   te-hatory

............................

 

Aoka izay

Rahampitso indray

SOA IHANY TEO NY NOFY

2010-10-17 @ 13:24 in Tononkalo

Dia ho nofy ihany sisa ve no hilazako indray
ireo vetsovetsom-poko fiangaliko hatrizay?
Raha toa tsy nisy nofy, iza moa no itanisàko
ny androm-piainako rehetra; ny taraina, ny adalako?

Dia ho nofy sisa ve no navelanao hiteny
sy handrotsirotsy ahy amin'ireny kalo ireny?
Miangavy re ry Lala, miverena re ry Tiako
mba hampisy lanja indray izay anton'ny nisiako.

Soa ihany teo ny nofy, soa ihany teo ianao
ahafahako mamorona tontolo vaovao;
tiako loatra mantsy, Lala, tena tiako tsotr'izao
ny fitsikinao malefaka anaty nofiko ao

Avelao re aho ry nofy hitampify eo ihany,
hiangoty aminao, anomezo nofy mamy,
itondray nofy tsotra, ivimbino nofy lalina,
mba hotantaraiko azy rehefa tong'indray ny alina

FITIA FAHAZAZA

2010-10-15 @ 09:49 in Tononkalo

Miaraka eny an-dalana, someby aok'izany
Mifampitositosy sy mifananihany
Tsy mihontsona akory ny ao anatiko ao
Eh! Fitia fahazaza; nataoko kilalao
 

Rehefa mba mitafa mitokana irery
Ny andaniny mandà, ny ankilany manery
fa amin'ny herinandro no atao ny mariazy
Fitia fahazaza; eh! nataoko vazivazy
 

Indreny fa midola andeha hamonjy tsena
manopy maso kely ny fivarotan-kena
Avy eo mitanjozotra mandroso ny Hotely
Eh! Fitia fahazaza; fitiavan-jazakely
 

Raha tonga ny alahady; indreny izy ireny
"Ianao mankeny ambony, izaho eo amin'ny Neny!"
Dia mifanopy maso mandritry ny fotoana
Fitia fahazaza; eh! adaladala foana
 

Tsaroako izany lasa, mandona ny aty foko
sinikotra anaty pejipejy maro loko
Tantara ihany ireny; vinany tafatoetra
Tamberina sy tsiahy ny lasa rehetra rehetra

NY VAVAKA NASANDRATRO

2010-10-15 @ 08:42 in Tononkalo

Ô ry Raiko, mitalaho
mba henoy 'ty zanakao
mitenena re ry Ray
moa ve izao no lalana
sinoritrao ho anay?
   Eny, fantatro fa tsia
   f'izahay no ninia
   nampiova ny hasambarana
   ho lasa nahalala
   'ty tontolo mamarara

    Ô, ry Raiko feno antra
    inty aho ilay mahantra
    tamy hangataka aminao
    fo, fanahy sy toetra
    ary saina vaovao
       mba hoentiko miaro
       ny hoavin'ireo maro
       milomano ao anaty
       fijaliana, sy miletra
       fahoriana mandra-maty

        Ô, ry Ray tsy manan-tsiny
        mba ampio iny olona iny
        hanadino ny hadisoako
        ka hahatakatra ny marina
        mitsentsina ao am-poko
           Mba omeo ahy ny hery
           ahasahiako mijery
           'reo fotoana very foana;
           ahafahako manarina
           ny hoavy manoloana

            Ampianaro, fa ilaina,
            na hanananay fisainana
            sy fiaina toy ny zaza
            ka hahay mifankatia
            na amin'ny fahavalony aza
               ny firenena manontolo
               hahay hamboly sy hikolo
               filaminana maharitra
               ahazoa-miriaria
               sy miadana finaritra

        IZAY NO VAVAKA ASANDRATRO

Qui suis-je ?
rainstorm

Née le 10 janvier 1988, nommé H. RANDRIANTSOA, on m’appelle H. mais mes certains amis me nomment Riantsoa. Ca ne me fait rien car c’est tout simplement de nom, je suis toujours moi peu importe mon nom. Je n’ai pas de pseudo, c’est ce que je veux aussi. Je ne sais pas vraiment mes caractères, vous n’aurez pas de réponse si vous essayer de me poser une question à propos de cela. Mais non, j’en connais une : je ne suis pas vraiment un mec cool mais je deviens super cool si on est tous cool.
Vous allez peut être vous demander comment est sa façon de vivre ? Bien sûr, je vais vous répondre : je vis avec de l’oxygène ... c’est une blague, on me surnomme ROI DECKEUR, ça n’as pas de relation avec le jeu de carte, je suis un homme de cœur, un homme de tolérance, de paix, de générosité, de calme. Voulez-vous que je vous dévoile l’un de mes secrets ?oui ? D’accord. Alors, ne vous étonnez pas si je vous dis que je ne suis pas un homme ordinaire comme vous, je suis uno homos extraordinarios : j’ai deux cœurs, l’un bat pour faire circuler le sang, et l’autre pour la vie amoureuse. J’ai déjà dis de ne pas vous étonner car c’est encore une blague ; je vous avais eu ! Ma vie est plein d’humour ! Je ris, je fais rire les autres, mais faites attention ! Si le cœur se fâche, ça se gronde comme un chien enragé, pas tout à fait chien enragé, on peut le calmer par un seul calmant : c’est la chanson ; j’aime la chanson, j’aime chanter, je préfère la chanson à la place de la poésie, mais je préfère aussi la poésie à la place de chanson. Oh non, ça me fait tourner la tête moi aussi. A vrai dire, ces deux loisirs, je les aime tous. Ce sont mes loisirs à part dessiner, balader, crier.....
Tiens, tiens, tiens ! Mais n’est-ce pas mes caractères que je viens d’écrire ci-dessus ? Oh bon Dieu ! Que je suis fou !................. Fou ? Je retire ma parole, je ne suis pas fou, parfois seulement. Il y a longtemps, pas vraiment longtemps, je n’en souviens plus, peut être la semaine dernière, ou deux mois avant; je disais à une femme : « Je suis fou de toi ». Elle me regardait avec un air découragé. Alors, je me mis vite sur la route de résolution de problème en continuant : « es-tu folle de moi aussi ? Si tu l’es, on est tous des fous ; mais si tu ne l’es pas, je ne veux pas être le seul à être fou ! »Et elle me donna un tout petit bouquet de sourire. Taratatan, attention ! Le cavalier arrive ! Écartez la route ! Je me plonge à la conquête de l’amore. Eh ouais, on m'a dit que les hommes sautent à tous ceux qui bougent.... Laissez tomber, car ça n’ira pas trop loin..........Quoi? je suis pas un menteur moi, voyons. C'est vrai que parmi toutes les animaux sur terre, seul les hommes savent mentir, à part le caméleon; mais moi je ne mens jamais,....mais je n'ai jamais dit aussi la véritéhéhéhéhé!!!!!!!!!!!
Enfin, j’arrive au dernier paragraphe. J’ai quand même tous dit mes caractères, sauf ceux-ci : Je suis un homme sociable, quiconque veut m’accompagner est le bienvenu.
Tant de choses, je vous le dis
Tant de trucs, j’vous ai offert
Pour les ignorants, tant pis !
Car tous sortent de mon cœur
C’est une source inépuisable
Un amour incomparable
Je n’ai pas vraiment tout dit, je crois. Venez avec moi et vous appréciez bien ! Ok ! Je vous quitte, je vous souhaite bonne chance ! ADIOS AMIGOS

calendar
« juillet 2022 »
lu ma me je ve sa di
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Liens
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox