IZAHO KO MAHAY!

2010-12-16 @ 13:25 in Tononkalo

Androany aho mba hiresaka momba ny fiainan'ny olona an-davanandro indray. Manodidina indrindra ny zava-mitranga eto amin'ny firenena: olana, vahaolana.....

Ny zavatra tsikaritro dia rehefa raikitra ny tafatafa samy akama sy ny samy tsy akama eny an-dalambe, anjoron-trano, antsisin-dalana, anaty fiara fitateram-bahoaka eny ; dia toy ireny andrarezina ireny daholo izay rehetra misoka-bava. Mirotsaka ny resaka politika dia ireo fa samy manana holazaina avokoa na ny bodo na ny adala, samy toa mahita vahaolana daholo. Asa na dia ahoana loatra aza no tsy naha minisitra ny sasany tamin'izy irenyfa dia miraradraraka mihitsy ny soso-kevitra rehetra, nefa anie tsy lasa aiza fa tapitra eo am-baravaran'ny bus izany tehetra izany e!

Eo ihany, mivadika resaka sosialy tampoka ny resaka: indreo eo daholo indray fa samy tompon'ny fanalahidy mankany amin'ny fandrosoana daholo

Ny tena hitako fa fahavoazan-draMalagasy be fivoarana di lany andro miedinedina fotsiny eran'ny tanàna ho hitan'ny olona hoe izaho no tena zavatra, fa tsy manao avy hatrany. Ny hevitra fotsiny no mipasapasaka fa ny finiavana hanao tsy misy mihitsy na dia kely aza. Angamba raha samy miezaka avy ny tsirairay mba hanao izay andehanan'ny firenena dia mampisy fanantenana be dia be ny handrosoan'ny firenena

Manampy an'izay ny firaisan-kina sy ny fifankatiavana eo amin'ny samy mpiray tanindrazana, fa atao ahoana moa ny hampandroso ny tokantrano iray raha toa ka ny ao anatiny aza tsy miray saina akory.........

hatreo aloha ny androany fa sao lany ron-doha mitatasika fotsiny eto koa!!!!!

RANADAHY MALALA

2010-12-14 @ 06:45 in Tononkalo

Manaraka;
miaraka;
malaina ny hisaraka.
misarisary zoro,
mipetraka, mijoro;
mody tsy miraika;
ilaozako: mihaika,
haingana! andraso!

omeko topimaso:
mibanjina, midify.
mamonjy mitampify,
mihilana;
mivilana.
mikalo moramora,
manontany ora.
tanitany foana!

raikitra ny doka:
"Ianao mahay mihira!"
tsy asiako sira,
"Ao mba ampianaro!"
modiako miova tafa,
miresaka amin'ny hafa;
io fa saro-piaro:
montotra,
tsy rototra,
mitoka-manirery;
mangalatra mijery,
mitokiky,
mianjon-tsiky.
misarisary zoro
mipetraka,.....

aiiiy!!!
tia re ianao
f'aza mody adala
ry Ranadahy malala!

RIANTSOA (21/11/10)

HYMNE À L'AMOUR

2010-12-12 @ 15:54 in Tononkalo

Le ciel bleu sur nous peut s'effrondrer
Et la terre peut bien s'écrouler
Peu m'importe si tu m'aimes
Je me fous du monde entier
Tant que l'amour inondera mes matins
Tant que mon corps frémira sous tes mains
Peu m'importent les grands problèmes
Mon amour, puisque tu m'aimes...
J'irais jusqu'au bout du monde
Je me ferais teindre en blonde
Si tu me le demandais...
J'irais décrocher la lune
J'irais voler la fortune
Si tu me le demandais...
Je renierais ma patrie
Je renierais mes amis
Si tu me le demandais...
On peut bien rire de moi,
Je ferais n'importe quoi
Si tu me le demandais...
Si un jour la vie t'arrache à moi
Si tu meurs, que tu sois loin de moi
Peu m'importe, si tu m'aimes
Car moi je mourrai aussi...
Nous aurons pour nous l'éternité
Dans le bleu de toute l'immensité
Dans le ciel, plus de problèmes
Mon amour, crois-tu qu'on s'aime?...
...Dieu réunit ceux qui s'aiment!
 
 

MAMPANGOROVITSIKA DAHOLO IZAY ALEHA

2010-11-12 @ 12:35 in Fiainana

Mba te-hitantara zavatra aminareo aho androany


Tato ho ato dia nisy zavatra hafahafa nahazo ahy, efa im-betsaka izy ity no nahazo ahy. Amin'ny alina ilay vao manomboka rendremana iny dia misy zavatra henoko ohatry ny manindry ahy, mitazona ahy tsy hihetsika mihitsy. Mangorovitiska daholo ny vatako iray manontolo, lasa maizina be ny zavatra jereko (na dia efa ao anatin'ny maizina aza).Eo aloha mijalijaly eo mandritry ny 30 segaondra eo ho eo, tsy afa-mihetsika nefa ny saina ao tsara. Nefa rehefa ahetsiko ny lohan'ny ratsan-tanako dia miala ohatry ny tsy nisy ilay izy. Fa mbola mila hery goavana be vao mahahetsika iny lohan-tanana kely iny an!!!


Nanontany ny namako aho sao dia fantany ny anton'izany, na koa efa nisy tratran'izany.Tsy nisy nanana valin-teny nahafa-po; tsindrian'ny mpamosavy, hono, e; arahan-dolo sns......Ny navaliko azy ireo moa tamin'izay dia hoe : "tsy misy dia atahorako mpamosavy ange izany e, ny lohan-ny fanondroko fotsiny aza no ahetsiko dia mitsoaka ry Zalahy koa!"
Tsy dia nino an'izany aloha aho satria.....nino kely ihany aloha izaho fa lainga lainga e. Tsy nionona tamin'izany aho fa nanao fikarohana dia nahita an'ity tao amin'ny wikipedia : "paralysie du sommeil" izany,hono, no mahazo ahy.


Efa fantatro izany ny momba an'iny, sady efa ohatry ny fantatro mialoha koa hoe hisy indray ilay izy dia efa miomana aho : manao position somary manaitaitra ny vatana (ny vatana an) mba hiara-hatory izy sy ny saina, ohatra ho avonkiko ambony be ny tongotro iray, miforitra be sns.....


Fa ity no tena tantara:
Teto Antananarivo no niseho: Androany maraina ho any Talatamaty, tokotokony ho tamin'ny 8 ora maraina teo. Afaka kelikely teo amin'ny JUMBO SCORE Digue eo, nangorovitsika daholo ny vatako iray manontolo. Taitra be aho. Ny nalehan'ny eritreritro dia ny hoe fa angaha koa tratran'ilay paralysie de sommeil na efa mandehandeha aza? sa ve ity vao tena mpamosavy.....andro atoandro? Andeha hi-surf ve aloha hijerena hoe inona ity (satria raha ho any amin'ny namana dia zavatra hafa indray no hoteneniny eo). 2 segaondra ihany izany erit

FITIA FAHAZAZA

2010-11-11 @ 13:58 in Tononkalo

Miaraka eny an-dalana, someby aok'izany
Mifampitositosy sy mifananihany
Tsy mihontsona akory ny ao anatiko ao
Eh! Fitia fahazaza; nataoko kilalao

Rehefa mba mitafa mitokana irery
Ny andaniny mandà, ny ankilany manery
fa amin'ny herinandro no atao ny mariazy
Fitia fahazaza; eh! nataoko vazivazy

Indreny fa midola andeha hamonjy tsena
manopy maso kely ny fivarotan-kena
Avy eo mitanjozotra mandroso ny Hotely
Eh! Fitia fahazaza; fitiavan-jazakely

Raha tonga ny alahady; indreny izy ireny
"Ianao mankeny ambony, izaho eo amin'ny Neny!"
Dia mifanopy maso mandritry ny fotoana
Fitia fahazaza; eh! adaladala foana

Tsaroako izany lasa, mandona ny aty foko
sinikotra anaty pejipejy maro loko
Tantara ihany ireny; vinany tafatoetra
Tamberina sy tsiahy ny lasa rehetra rehetra

Qui suis-je ?
rainstorm

Née le 10 janvier 1988, nommé H. RANDRIANTSOA, on m’appelle H. mais mes certains amis me nomment Riantsoa. Ca ne me fait rien car c’est tout simplement de nom, je suis toujours moi peu importe mon nom. Je n’ai pas de pseudo, c’est ce que je veux aussi. Je ne sais pas vraiment mes caractères, vous n’aurez pas de réponse si vous essayer de me poser une question à propos de cela. Mais non, j’en connais une : je ne suis pas vraiment un mec cool mais je deviens super cool si on est tous cool.
Vous allez peut être vous demander comment est sa façon de vivre ? Bien sûr, je vais vous répondre : je vis avec de l’oxygène ... c’est une blague, on me surnomme ROI DECKEUR, ça n’as pas de relation avec le jeu de carte, je suis un homme de cœur, un homme de tolérance, de paix, de générosité, de calme. Voulez-vous que je vous dévoile l’un de mes secrets ?oui ? D’accord. Alors, ne vous étonnez pas si je vous dis que je ne suis pas un homme ordinaire comme vous, je suis uno homos extraordinarios : j’ai deux cœurs, l’un bat pour faire circuler le sang, et l’autre pour la vie amoureuse. J’ai déjà dis de ne pas vous étonner car c’est encore une blague ; je vous avais eu ! Ma vie est plein d’humour ! Je ris, je fais rire les autres, mais faites attention ! Si le cœur se fâche, ça se gronde comme un chien enragé, pas tout à fait chien enragé, on peut le calmer par un seul calmant : c’est la chanson ; j’aime la chanson, j’aime chanter, je préfère la chanson à la place de la poésie, mais je préfère aussi la poésie à la place de chanson. Oh non, ça me fait tourner la tête moi aussi. A vrai dire, ces deux loisirs, je les aime tous. Ce sont mes loisirs à part dessiner, balader, crier.....
Tiens, tiens, tiens ! Mais n’est-ce pas mes caractères que je viens d’écrire ci-dessus ? Oh bon Dieu ! Que je suis fou !................. Fou ? Je retire ma parole, je ne suis pas fou, parfois seulement. Il y a longtemps, pas vraiment longtemps, je n’en souviens plus, peut être la semaine dernière, ou deux mois avant; je disais à une femme : « Je suis fou de toi ». Elle me regardait avec un air découragé. Alors, je me mis vite sur la route de résolution de problème en continuant : « es-tu folle de moi aussi ? Si tu l’es, on est tous des fous ; mais si tu ne l’es pas, je ne veux pas être le seul à être fou ! »Et elle me donna un tout petit bouquet de sourire. Taratatan, attention ! Le cavalier arrive ! Écartez la route ! Je me plonge à la conquête de l’amore. Eh ouais, on m'a dit que les hommes sautent à tous ceux qui bougent.... Laissez tomber, car ça n’ira pas trop loin..........Quoi? je suis pas un menteur moi, voyons. C'est vrai que parmi toutes les animaux sur terre, seul les hommes savent mentir, à part le caméleon; mais moi je ne mens jamais,....mais je n'ai jamais dit aussi la véritéhéhéhéhé!!!!!!!!!!!
Enfin, j’arrive au dernier paragraphe. J’ai quand même tous dit mes caractères, sauf ceux-ci : Je suis un homme sociable, quiconque veut m’accompagner est le bienvenu.
Tant de choses, je vous le dis
Tant de trucs, j’vous ai offert
Pour les ignorants, tant pis !
Car tous sortent de mon cœur
C’est une source inépuisable
Un amour incomparable
Je n’ai pas vraiment tout dit, je crois. Venez avec moi et vous appréciez bien ! Ok ! Je vous quitte, je vous souhaite bonne chance ! ADIOS AMIGOS

calendar
« juillet 2022 »
lu ma me je ve sa di
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Liens
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox