IZAHO, I MÔTA KELY, I SEDY (*)

2010-10-23 @ 11:24 in Tononkalo

Tonga ihany ilay maraina rako-javo-mitambolona;
Ireny feom-piarakodia no solon’ora fifohazana.
Efa miandry indray ny adidy amin’ny maha zokiolona,
Solon-dreny hanambitamby, solon-dray hiantsampazana.

Hatanjahina ny saina, dia hanainga amin’izay;
I Sedy kely am-babena, fa i Môta atao an-tanana,
Lolohavina eo an-doha ny sisa rovi-bemiray;
Tapa-pihogo, ariary zato; izay no hany mba fananana
 
Aiza indray izao no misy ambim-bavan’ny mpiantsena,
Sisasisan’ireo mpanana sy tsy mahay mizara?
Ilay kapoaka atao vilany tsy misaraka amin-tena,
‘Ndrao dia hitsikian’ny vintana hahita tsaratsara.
 
Raha izao no lasa mpanana….. Eh! Matezà ny aina;
Dia i Môta kely aloha no ampidiriko an-tsekoly.
Jereo ‘reto zanak’olona aterina, alaina,
Fa ry zandry, ny mitsindroka no hany fialam-boly.

Raha mba teo ianao ry Neny, raha mba hitanao ry Dada
‘zahay telo mianadahy, Izaho, i Môta kelinao
Sy i Sedy be tomany; mbola vao mibadabada,
Dia nekeko am-pitsikiana ny kapoka sy anatrao.

Aiza indray no ahitako rovi-damba hotafiana?
Ny an-koditra efa simnba, ny ririnina mamely.
Aiza intsony indray izao nohisy toeran-katoriana
F’efa potiky ny rivotra ilay trano bongo kely.

Tamy handrakotra ny tany indray ny alin’ny ririnina,
Diavolana no jiro, feon’alika no mpandrotsy;
Tonom-bavaka no vetso, nofinofy no fihinina,
Hanatrarana indray ny maraina………...........

RIANTSOA

 

(*) Vokatry ny sendrasendra ihany raha toa ka misy fitovian'ny anarana

MAMPIRAFY

2010-10-22 @ 11:14 in Tononkalo

Angamba ny fahitako anao
Isan’andro lava izao
No mampihetsiketsika ahy ?
     K’ilay endri-miramirana
     Laroan-tsiky misompirana
     No sinafoko tsinahy
 
Diso ve izaho raha toa
Ka nanao kitoatoa
Ireo iraka sy asako?
     Satria ilay endrikao
     Sy ny safosafonao
     No andrandraiko sy andrasako
 
Mba tsy fahotana kosa
Ito vavako misosa
Mitanisa anganongano
     Hambaboana izato fony
     Ndrao mba izy no hampitony
     Sy hanala hamohamo

Tsisy olana io ry akama
Fa ny ankizy sy I Madama
Efa mba mahay mihafy
     Sady izy mahalala
     Fa ny vadiny malala
     Tsy mahay mampirafy

     RIANTSOA

HATAKA (Mangidy sira)

2010-10-22 @ 10:38 in Tononkalo

Antenaiko tsy ho very

                    ilay tafa

                   tsara tefy,

hanakombona ny fery

                   ratsy fafa

                   tsara fefy

dia tsy tsapanao mihitsy

                   ve ry Kala

                   manja kely

izato vatany mangitsy

                   mihoatra vala

                   miandry vely?

Raha tsy te-hifampizara

                   rohin-tsera

                   dia mba tsory

sady izaho lany ambara

                   lany lera

                   te-hatory

............................

 

Aoka izay

Rahampitso indray

BOBOKA (*)

2010-10-21 @ 05:33 in Fiainana

Mbola ilain’i Madagasikara ve ny olona tso-po, madio sy marina? Tsy voavidim-bola sy voninahitra ary harena? Olona tsy mijery afa-tsy ny tombotsoan’ny besinimaro, ka hanindrahindra ny fihavanana sy ny fifampitokisana eo amin’ny samy mpiray tanindrazana. Ilaina ve ireo madio tanana amin’ny fitantanandraharaham- panjakana? Tsy misy ilàna izany intsony angamba! Mahazo faka loatra ny avonavon-kevitra sy ny herin’ny vola. Tsy misy ny fitsinjovana ny ho avy iraisan’ny rehetra. Tsy any amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana ihany, fa na dia ny isantokan- trano sy ny isam-baravarana mihitsy aza. Mifamono tsikelikely isika, mifandramatra, tsy mifampitsitsy, tsy mifandefitra. Izany fihavanana izany aloha dia aleveno any amin’ny faramangitsokitsoka any fa mandrebireby sy tsy misy hitavanana. Ny vola sy ny voninahitra izao no mety tsara amintsika mianankavy........

Akombony ny vava rehefa vory daholo ny olona raha izay hahasoa ny mpiray tanindrazana no any an-dohanao any. Rehefa “nanota” r’Ingahiroa dia tsy misy hevitra intsony fa vita izany ny aminy a! Aza mitetika ny hanambaka anay intsony fa tsy misy madio tanana mihoatra ny mpitarika ankehitriny eto amin’ity firenentsika ity. Izahay izao no eto , izay tianay ihany io. Izahay rehetra dia hanjaitra “lamba soga” matevina afaka hiaro anay mandritra ny fotoana maharitra. Tsy misy mahazo manovanova an’izany intsony fa izay no tapakay mianakavy. Tsy misy mahazo mitafy an’izany ny be galona sy be voninahitra nanonganongana ny dadanay sy ny dadabenay roalahy. Izahay (isika mantsy e) samy Gasy e! Nahoana moa no hisy avo sy iva izany? Tsy adala akory ny zokintsika niteny hoe aleo very tsikalakalambola toy izay very tsikalakala-pihavanana. Koa maninona raha mba izay “tsy nanota” taminareo no hitora-bato anay? Maninona r’Ingahiroa no hifandrora tsy maimbo fotsiny? Hanangana zavatra ho an’ny Gasy ve isika samy Gasy dia ny anareo ihany no hohajaina sy hankatoavina? Tsy maintsy ho lany io volabenareo tsy ahafahana mankeny Andrainarivo (mausolée) io. Bedin’ny sehatry ny vazahabe eo ianareo fa miseho mihatakataka aminy, efa fanatontoloana anie izao e! Samy vizana koa, samy resy, samy kely aina , fa samy be vava sy be fantsy ihany koa! Mbola tohizantsika mianakavy hatrany io satria samy angady mondro tsy mahatapak’ahitra koa anie e! Kely mandeha any an-tsena koa rehefa mody vao mba tazan’ny olona. Tsy samy gasy indray angamba fa samy dondrona sy kentrina? Samy leo sy tofoka , boboka ka tsy manantena na inona na inona intsony. Indrisy ry firenena efa ngazana. Rotiky ny afo, rotiky ny fanimbana tsy ara-drariny, rotiky ny hevitra tsy mitovy. Tsy manan-kalahatra fa boboka.

(*)Vakio ny asa-soratr’i Rado Boboka (Dinitra P.62-67)

Ony RAMBELO

SOA IHANY TEO NY NOFY

2010-10-17 @ 13:24 in Tononkalo

Dia ho nofy ihany sisa ve no hilazako indray
ireo vetsovetsom-poko fiangaliko hatrizay?
Raha toa tsy nisy nofy, iza moa no itanisàko
ny androm-piainako rehetra; ny taraina, ny adalako?

Dia ho nofy sisa ve no navelanao hiteny
sy handrotsirotsy ahy amin'ireny kalo ireny?
Miangavy re ry Lala, miverena re ry Tiako
mba hampisy lanja indray izay anton'ny nisiako.

Soa ihany teo ny nofy, soa ihany teo ianao
ahafahako mamorona tontolo vaovao;
tiako loatra mantsy, Lala, tena tiako tsotr'izao
ny fitsikinao malefaka anaty nofiko ao

Avelao re aho ry nofy hitampify eo ihany,
hiangoty aminao, anomezo nofy mamy,
itondray nofy tsotra, ivimbino nofy lalina,
mba hotantaraiko azy rehefa tong'indray ny alina

Qui suis-je ?
rainstorm

Née le 10 janvier 1988, nommé H. RANDRIANTSOA, on m’appelle H. mais mes certains amis me nomment Riantsoa. Ca ne me fait rien car c’est tout simplement de nom, je suis toujours moi peu importe mon nom. Je n’ai pas de pseudo, c’est ce que je veux aussi. Je ne sais pas vraiment mes caractères, vous n’aurez pas de réponse si vous essayer de me poser une question à propos de cela. Mais non, j’en connais une : je ne suis pas vraiment un mec cool mais je deviens super cool si on est tous cool.
Vous allez peut être vous demander comment est sa façon de vivre ? Bien sûr, je vais vous répondre : je vis avec de l’oxygène ... c’est une blague, on me surnomme ROI DECKEUR, ça n’as pas de relation avec le jeu de carte, je suis un homme de cœur, un homme de tolérance, de paix, de générosité, de calme. Voulez-vous que je vous dévoile l’un de mes secrets ?oui ? D’accord. Alors, ne vous étonnez pas si je vous dis que je ne suis pas un homme ordinaire comme vous, je suis uno homos extraordinarios : j’ai deux cœurs, l’un bat pour faire circuler le sang, et l’autre pour la vie amoureuse. J’ai déjà dis de ne pas vous étonner car c’est encore une blague ; je vous avais eu ! Ma vie est plein d’humour ! Je ris, je fais rire les autres, mais faites attention ! Si le cœur se fâche, ça se gronde comme un chien enragé, pas tout à fait chien enragé, on peut le calmer par un seul calmant : c’est la chanson ; j’aime la chanson, j’aime chanter, je préfère la chanson à la place de la poésie, mais je préfère aussi la poésie à la place de chanson. Oh non, ça me fait tourner la tête moi aussi. A vrai dire, ces deux loisirs, je les aime tous. Ce sont mes loisirs à part dessiner, balader, crier.....
Tiens, tiens, tiens ! Mais n’est-ce pas mes caractères que je viens d’écrire ci-dessus ? Oh bon Dieu ! Que je suis fou !................. Fou ? Je retire ma parole, je ne suis pas fou, parfois seulement. Il y a longtemps, pas vraiment longtemps, je n’en souviens plus, peut être la semaine dernière, ou deux mois avant; je disais à une femme : « Je suis fou de toi ». Elle me regardait avec un air découragé. Alors, je me mis vite sur la route de résolution de problème en continuant : « es-tu folle de moi aussi ? Si tu l’es, on est tous des fous ; mais si tu ne l’es pas, je ne veux pas être le seul à être fou ! »Et elle me donna un tout petit bouquet de sourire. Taratatan, attention ! Le cavalier arrive ! Écartez la route ! Je me plonge à la conquête de l’amore. Eh ouais, on m'a dit que les hommes sautent à tous ceux qui bougent.... Laissez tomber, car ça n’ira pas trop loin..........Quoi? je suis pas un menteur moi, voyons. C'est vrai que parmi toutes les animaux sur terre, seul les hommes savent mentir, à part le caméleon; mais moi je ne mens jamais,....mais je n'ai jamais dit aussi la véritéhéhéhéhé!!!!!!!!!!!
Enfin, j’arrive au dernier paragraphe. J’ai quand même tous dit mes caractères, sauf ceux-ci : Je suis un homme sociable, quiconque veut m’accompagner est le bienvenu.
Tant de choses, je vous le dis
Tant de trucs, j’vous ai offert
Pour les ignorants, tant pis !
Car tous sortent de mon cœur
C’est une source inépuisable
Un amour incomparable
Je n’ai pas vraiment tout dit, je crois. Venez avec moi et vous appréciez bien ! Ok ! Je vous quitte, je vous souhaite bonne chance ! ADIOS AMIGOS

calendar
« juillet 2022 »
lu ma me je ve sa di
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Liens
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox