VICTOIRE

2010-11-07 @ 16:12 in Fiainana

Match de final niadian'ny JAPANS ACTUEL sy CNaps: 2-0 ho an-ny CNaPS. Efa henonareo ve izany CNaPS izany hatramin'izay? Mbola tsy heno? Henoy ary. Nouveau Champion, nouvelle génération, nouvelle légende de football de Mada!

Fantatrareo moa hoe iza ny DG-ny CNaps?izy no ilay adversairen'i Ahmad tamin'ny fifidianana président de la Fédération Malgache de Football farany teo. Namoaka joueur vaovao i Raoul, CNaPS victorieux THB Ligue de Champion Madagascar. Hita foana hoy aho ny olona tena tia ny baolina kitra rehefa mitantana ny azy. Marihiko eto fa efa hatramin'ny ela i Raoul no naniry ny hampivoatra lavitra ny baolina kitra Malagasy. Raha ny fitiavany an'io taranja iray io aloha dia tsy isalasalako ny milaza fa hanana ny hoaviny ny baolina kitra Malagasy raha ny finiavany no avela hahazo laka. Jereo tsara fa hilakalaka amin'izay ny CNaPS manomboka hatreto.

Mankasitraka Tonton a! LaughingLaughingLaughing

MAMPANGOROVITSIKA DAHOLO IZAY ALEHA (2)

2010-11-07 @ 16:10 in Tononkalo

ity ilay tohiny:

 

 2 segaondra ihany izany eritreritra rehatra izany fa 20 seganondra vao fantatra ny antony: hay ireto fiarakodia milahatra lavabe no nahatonga an'ilay izy, sady amin'izay midongizina tsy mihetsika mihitsy. Tsy mbola fahitako mihitsy ny ohatr'ity. Notohizako ihany ny diako (fa izaho nandeha scooter). teo Ambodimita no niandohan'ilay emboutaillage. Dia hoy aho any an-tsaiko hoe:"tsentsin'ny anona izany ny vodin'ny Mita kle!". Efa hatrany amin'ny Ambassade des Etats Unis koa ny avy any Talatamaty. Dia nahavatra nanontany Saofera mihitsy moa izaho izany raha toa ka efa mpitranga amin'iny lalana iny ny emboutaillage vao maraina ohatr'izao. Ny valiny dia tsotra:"Aza mandrangitra eo ialahy fa lasa ialahy mandeha". Gaga aho hoe izaho ve no mandrangitra sa izy koa no mila rangitina? Saika rangitra koa aho...fa tsy rangitra tampoka. Hany heriko niverina mba nijery izay tena antony tao. Indrisy anefa, tara loatra; efa rava ny tany amin'ny lohany tany. Mbola tsy rangitra ihany aho.

Eo indrindra no tiako hasongadina; ny emboutaillagen'Antananarivo. Ny ety Itaosy moa no tena hitako fa dia sakafo fihinan'Itaosy ny emboutaillage, sady amin'izay tsy misy laoka. Na maraina na hariva dia misy foana. Raha vao misy Itaosy dia tsy maintsy misy miresaka ao koa ny emboutaillage . Mankaleo

Raha ny fandinihako ny tena mahatonga ny emboutaillage to Antananarivo aloha dia ny antony dia ireo voiture tsy mahay maka parking fa mitsivala-pandry eny rehetra eny, taratry ny any an-tranony. Raha mba mahay mihitsy kely ireny dia halalaka ny lalana.......

Aoka izay aloha ny amin'iny fa aleo aloha hanohana kely fa tonga koa ny régime ato, sady Dadakoa toa tsy ho tonga, Dadabe tsy tiako ny miara-mikaly aminy, Zokilahy tia kely......izaho tsy mety rangitra!!!!!!

TAOTAON-KAFA

2010-10-28 @ 07:28 in Tononkalo

Normal 0 21 false false false FR X-NONE X-NONE MicrosoftInternetExplorer4

Manao tohivakana maneho ny hatanorany
                            Ny eritro manjeny;
Anefa, ny tontolo notadiaviny any
                            Zakain’ny heniheny.
Ny hanin’olon-tiana manao amboletra,
                            Voafefin’ny havoana;
Ako hiakam-po mitraho an-kerisetra,
                            Tamberina eto foana;
Atopan’ny alom-betso handrongatra ny morona,
                            Tsy nisy tsy nafoy,
Tsy nisy nandrombinana , tonga tsara horona
                            Manao tampody fohy.
Tsikaritry ny saona mipitra anjorom-bala
                             Anefa ny handefitra
Toa mihantsy alahelo handrovitra ny ala
                            Hipaoka ho any an’efitra
Ny efitra aza sina, moana tsy mamaly
                            Tsy andrenesam-peo
Sondriana mitadidy ny rediko omaly
                            Fony aho nandalo teo
Mamoy fanantenana nasolo antsojay
                            No sisa herin-tsaina
Iantsoana faraonona hamerina indray
                            Ny nofy niangolaina

 

                   RIANTSOA

 

FITIA DISO FIANTEFA

2010-10-27 @ 14:08 in Tononkalo

azon'ody tany angamba
no niraparapa foana
sa ny maso no efa jamba
sa ny saina no nivoana?

bika ve no hany bala
vola no atao mpitondra
entinao hanjono kala
any ambadiky sahondra

tara loatra ianao ry Zandry
kely loha toa an'i Kaina
atao inona ny sandry
raha tsy miaraka amin'ny saina?

izao ny aina efa very
ny havendranana nibary
ny hanohanana mamely
ny fanahy mararirary

aza tia manendy loza
lahy tokana ny aina
trondo kely an-tanam-poza
raha tsy maty, kilemaina

raiso ho anatra iny anefa
fa raha manindroa tsy laitra
fitia diso fiantefa
miantsampy amin'ny koaitra

HITAKO IHANY NY BOUTON "OFF"

2010-10-25 @ 06:01 in Karokaroka

-Dia inona izany no hamonoana an'ity?

-Miandry 15 minitra dia maty ho azy eo io

-Hay!!!

Dia nionona tamin'izay fotsiny nandritry ny taona maro.

In-dray andro sendra nolalaovin'ny zandrin'ny namako vao 5 taona ilay "machine à calculer". Gaga aho fa maty ilay machine nefa amin'ilay tsy misy bouton "off" Surprised. Izy moa efa mahay miresaka ka dia nanontaniako azy ny fomba nanaovany an'izany.naveriny teo ny action: nopotseriny daholo ny bouton ambony rehetre izay nisy ny "plus; moins; fois; divisé par ary ny ON". Maty ilay machine

Rehefa naveriko sy nalaliniko ilay izy dia tsotra:

 potserina miaraka sy maharitra (maintenir) ny bouton "fois sy divisé par" dia avy potserina in-dray mandeha ny bouton "ON" dia maty ny machine.Cool

Andramo ange raha sendra mahita an'ireny ianao fa mety tena mety

Fa ny tiako ho fantatra izao raha toa ka efa nisy nahita io fikafika kely io talohan'ny taona 2003. Mba lazao hoe.....

 

Qui suis-je ?
rainstorm

Née le 10 janvier 1988, nommé H. RANDRIANTSOA, on m’appelle H. mais mes certains amis me nomment Riantsoa. Ca ne me fait rien car c’est tout simplement de nom, je suis toujours moi peu importe mon nom. Je n’ai pas de pseudo, c’est ce que je veux aussi. Je ne sais pas vraiment mes caractères, vous n’aurez pas de réponse si vous essayer de me poser une question à propos de cela. Mais non, j’en connais une : je ne suis pas vraiment un mec cool mais je deviens super cool si on est tous cool.
Vous allez peut être vous demander comment est sa façon de vivre ? Bien sûr, je vais vous répondre : je vis avec de l’oxygène ... c’est une blague, on me surnomme ROI DECKEUR, ça n’as pas de relation avec le jeu de carte, je suis un homme de cœur, un homme de tolérance, de paix, de générosité, de calme. Voulez-vous que je vous dévoile l’un de mes secrets ?oui ? D’accord. Alors, ne vous étonnez pas si je vous dis que je ne suis pas un homme ordinaire comme vous, je suis uno homos extraordinarios : j’ai deux cœurs, l’un bat pour faire circuler le sang, et l’autre pour la vie amoureuse. J’ai déjà dis de ne pas vous étonner car c’est encore une blague ; je vous avais eu ! Ma vie est plein d’humour ! Je ris, je fais rire les autres, mais faites attention ! Si le cœur se fâche, ça se gronde comme un chien enragé, pas tout à fait chien enragé, on peut le calmer par un seul calmant : c’est la chanson ; j’aime la chanson, j’aime chanter, je préfère la chanson à la place de la poésie, mais je préfère aussi la poésie à la place de chanson. Oh non, ça me fait tourner la tête moi aussi. A vrai dire, ces deux loisirs, je les aime tous. Ce sont mes loisirs à part dessiner, balader, crier.....
Tiens, tiens, tiens ! Mais n’est-ce pas mes caractères que je viens d’écrire ci-dessus ? Oh bon Dieu ! Que je suis fou !................. Fou ? Je retire ma parole, je ne suis pas fou, parfois seulement. Il y a longtemps, pas vraiment longtemps, je n’en souviens plus, peut être la semaine dernière, ou deux mois avant; je disais à une femme : « Je suis fou de toi ». Elle me regardait avec un air découragé. Alors, je me mis vite sur la route de résolution de problème en continuant : « es-tu folle de moi aussi ? Si tu l’es, on est tous des fous ; mais si tu ne l’es pas, je ne veux pas être le seul à être fou ! »Et elle me donna un tout petit bouquet de sourire. Taratatan, attention ! Le cavalier arrive ! Écartez la route ! Je me plonge à la conquête de l’amore. Eh ouais, on m'a dit que les hommes sautent à tous ceux qui bougent.... Laissez tomber, car ça n’ira pas trop loin..........Quoi? je suis pas un menteur moi, voyons. C'est vrai que parmi toutes les animaux sur terre, seul les hommes savent mentir, à part le caméleon; mais moi je ne mens jamais,....mais je n'ai jamais dit aussi la véritéhéhéhéhé!!!!!!!!!!!
Enfin, j’arrive au dernier paragraphe. J’ai quand même tous dit mes caractères, sauf ceux-ci : Je suis un homme sociable, quiconque veut m’accompagner est le bienvenu.
Tant de choses, je vous le dis
Tant de trucs, j’vous ai offert
Pour les ignorants, tant pis !
Car tous sortent de mon cœur
C’est une source inépuisable
Un amour incomparable
Je n’ai pas vraiment tout dit, je crois. Venez avec moi et vous appréciez bien ! Ok ! Je vous quitte, je vous souhaite bonne chance ! ADIOS AMIGOS

calendar
« juillet 2022 »
lu ma me je ve sa di
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Liens
Credits
LifeType IE7 XHTML CSS Firefox